Bokin'i Jeremia 51:36
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin’ ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Deuteronomy 32:35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
Psalms 94:1Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
Psalms 140:12Tsy hampitoerina amin’ ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.
Proverbs 23:11Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao.
Isaiah 43:14Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin’ ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ ny sambo izay efa nifaliany.
Isaiah 47:6Tezitra tamin’ ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.