Bokin'i Jeremia 52:17
Ary ireo andry varahina teo amin’ ny tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia novakivakin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 52
Cross References
1 Kings 7:15Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin’ ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin’ ny folo hakiho ny manodidina azy.
2 Kings 25:13Ary ireo andry varahina teo an-tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon’ i Jehovah dia notorotoroin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.
2 Chronicles 36:18Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon’ Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
Jeremiah 27:22Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin’ ity tanàna ity.
Lamentations 1:10Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin’ ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin’ ny fitoerany masìna.