Bokin'i Jeremia 6:21
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin’ ity firenena ity, ka dia samy ho tafintohina amin’ izany ny ray mbamin’ ny zanany; Ho faty ny olona mbamin’ ny namany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 8:14Dia ho fitoerana masìna ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin’ ny firenena roa amin’ ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin’ ny mponina any Jerosalema.
Isaiah 9:14(Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
Jeremiah 9:21Ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin’ ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
Jeremiah 15:2Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra, ary izay ho amin’ ny mosary dia ho amin’ ny mosary, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana.
Jeremiah 18:21Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin’ ny ady.
Jeremiah 21:7Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.