Bokin'i Jeremia 9:19
Nefa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin’ ny sofinareo ny tenin’ ny vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 18:28mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
Deuteronomy 28:29Dia hitsapatsapa ianao na dia amin’ ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan’ ny jamba ao amin’ ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin’ izay halehanao; dia hampahorin’ ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy.
Jeremiah 2:14Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?
Jeremiah 4:20Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
Lamentations 4:15Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin’ ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
Ezekiel 7:16Ary na dia misy afa-mandositra aza, dia ho any an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.