Bokin'i Joba 1:21
sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’ i Jehovah
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’ Andriamanitra.
Cross References
Genesis 3:19Ny fahatsembohan’ ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao.
Genesis 45:5Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
1 Samuel 2:7Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.
2 Samuel 16:12Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin’ ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.
2 Kings 20:19Dia hoy Hezekia tamin’ Isaia: Tsara ny tenin’ i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin’ ny androko ka handry fahizay?
Job 1:11Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza izy e!