Bokin'i Joba 15:23
Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Tsy manantena ho afaka amin’ ny maizina izy; Andrasan’ ny sabatra izy.
Cross References
Genesis 4:12Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany ianao.
Job 18:12Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;
Job 30:3Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.
Psalms 59:16Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
Proverbs 10:3Tsy avelan’ i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ ny marina; Fa foanany ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
Ecclesiastes 11:8fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin’ ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.