Bokin'i Joba 19:27
Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 24:17Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
Psalms 17:15Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
Psalms 119:81Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
Isaiah 33:17Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.