Bokin'i Joba 24:1
Nahoana no tsy misy fotoan’ andro voatendrin’ ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ ny mahalala Azy izany androny Izany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Why, seeing times are not hidden from the Almighty, do they that know him not see his days?
In Context
2Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman’ ondry sady miandry azy.
Cross References
Genesis 7:4Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ ny tany.
Genesis 18:20Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan’ i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;
Psalms 31:15Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
Psalms 73:16Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
Ecclesiastes 8:6fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.
Isaiah 2:12Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,