Bokin'i Joba 30:20
Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I cry unto thee, and thou dost not hear me: I stand up, and thou regardest me not.
In Context
19Eny, nanary ahy teo amin’ ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
21Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin’ ny tananao no andrafianao ahy.
Cross References
Job 19:7Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
Psalms 22:2Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako.
Psalms 80:4Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
Lamentations 3:8Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
Matthew 15:23Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.