Filazantsara araka an'i Jaona 1:40
Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, no anankiray tamin’ izy roa lahy, izay nandre ny tenin’ i Jaona ka nanaraka an’ i Jesosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
One of the two which heard John speak, and followed him, was Andrew, Simon Peter’s brother.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 1
Cross References
Matthew 4:18Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
Mark 1:16Ary nony nandalo teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy, dia nahita an’ i Simona sy Andrea, rahalahin’ i Simona, nanarato teo amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
John 1:40Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, no anankiray tamin’ izy roa lahy, izay nandre ny tenin’ i Jaona ka nanaraka an’ i Jesosy.
Acts 1:13Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, ― dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’ i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak’ i Jakoba.