Filazantsara araka an'i Jaona 10:36
moa Izay nohasinin’ ny Ray ka nirahiny ho amin’ izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak’ Andriamanitra Aho?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Raha tsy manao ny asan’ ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 10
Cross References
Psalms 2:2Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
Isaiah 11:2Ary ny fanahin’ i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ ny fahalalana sy ny fahatahorana an’ i Jehovah;
Isaiah 42:3Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
Isaiah 49:6Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany.
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
Matthew 26:63Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin’ Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra.