John 11:48
Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:50firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora
Zechariah 13:7Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin’ ny madinika Aho.
Matthew 21:40Koa raha tonga ny tompon’ ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
Matthew 23:35mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.
Luke 8:12Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
Luke 19:41Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy