Bokin'ny Deoteronomia 28:50
firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 28
Cross References
2 Chronicles 36:17Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ ny sabatra tao an-trano fitoerana masìna, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
Ecclesiastes 8:1Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren’ ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan’ ny endriny.
Jeremiah 21:7Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
Daniel 8:23Ary ny hiafaran’ ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
Luke 19:44ary hamongotra anao hatramin’ ny tany mbamin’ ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.