Filazantsara araka an'i Jaona 11:53
Koa hatramin’ izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then from that day forth they took counsel together for to put him to death.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 11
Cross References
Nehemiah 13:21dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan’ ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin’ izany andro izany dia tsy tonga tamin’ ny Sabata intsony izy.
Psalms 31:13Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
Psalms 109:4Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
Jeremiah 38:4Dia hoy ny mpanapaka tamin’ ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin’ ity tanàna ity mbamin’ ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan’ ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.
Matthew 16:21Hatramin’ izany no vao natoron’ i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo.
Matthew 26:59Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy;