Filazantsara araka an'i Jaona 11:55
Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan’ ny Paska mba hanadio ny tenany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 11
Cross References
Genesis 35:2Dia hoy Jakoba tamin’ izay tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
Exodus 19:10Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ ny olona, ka manamasìna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
Numbers 9:6Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’ izany andro izany; dia nankeo anatrehan’ i Mosesy sy Arona izy tamin’ izany andro izany
2 Chronicles 30:17Fa nisy maro tao amin’ ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an’ i Jehovah.
Nehemiah 8:1Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’ Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano; ary niteny tamin’ i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin’ ny lalan’ i Mosesy izay nandidian’ i Jehovah ny Isiraely.
Psalms 26:6Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin’ ny alitaranao, Jehovah ô,