Filazantsara araka an'i Jaona 12:13
dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ ny Isiraely, Ilay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 12
Cross References
Psalms 72:17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Isaiah 44:6Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Zephaniah 3:15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.
Matthew 23:39Fa lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.
Luke 19:35Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin’ ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy.
John 12:15Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky.