Filazantsara araka an'i Jaona 12:15
Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Fear not, daughter of Sion: behold, thy King cometh, sitting on an ass’s colt.
In Context
14Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 12
Cross References
Deuteronomy 17:16Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin’ izany lalana izany intsony.
Judges 12:14Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.
2 Samuel 16:2Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Ziba: Ahoana no hevitrao amin’ ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an’ ny ankohonan’ ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin’ ny zatovo; ary ny divay hosotroin’ izay reraka any an-efitra.
Isaiah 35:4Lazao amin’ izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’ Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
Isaiah 41:14Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao.
Micah 4:8Ary ianao, ry tilikambon’ ny andiany’. Tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan i Jerosalema zanakavavy.