Filazantsara araka an'i Jaona 12:23
Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’ olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Jesus answered them, saying, The hour is come, that the Son of man should be glorified.
In Context
22Dia lasa Filipo nilaza tamin’ i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin’ i Jesosy.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 12
Cross References
Isaiah 49:5Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason’ i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
Isaiah 55:5Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’ i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin’ ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
Matthew 25:31Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;
John 12:16Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.
John 13:32Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin’ ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin’ izay Izy.
John 17:9Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’ izao tontolo izao Aho, fa ho an’ izay nomenao Ahy, satria Anao izy.