John 12:42
Kanefa maro tamin’ ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ ny synagoga.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
41Izany teny izany no nolazain’ Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
43Fa tia ny voninahitra avy amin’ ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra.
Cross References
Isaiah 51:7Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon’ ny zanak’ olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
Isaiah 66:5Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin’ ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
Matthew 26:69Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’ i Jesosy, ilay Galiliana.
Luke 12:8Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ ny Zanak’ olona kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra;
John 7:13Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
John 9:22Izany teny izany no nolazain’ ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin’ ny synagoga.