Filazantsara araka an'i Jaona 13:10
Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.
11Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 13
Cross References
Leviticus 16:26Ary ilay mandefa ny osilahy ho an’ i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
Leviticus 17:15Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy, vao hadio.
Numbers 19:12Hanadio ny tenany amin’ izany rano izany izy amin’ ny andro fahatelo, ary amin’ ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin’ ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin’ ny andro fahafito.
Ecclesiastes 7:20Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
Jeremiah 50:20Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan’ ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok’ izay sisa narovako.
John 15:3Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.