Filazantsara araka an'i Jaona 13:8
Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 13
Cross References
Isaiah 4:4Rehefa voasasan’ ny Tompo ho afaka amin’ ny fahalotoany ireo zanakavavin’ i Ziona, Ary rehefa voadion’ ny fanahy fitsarana, sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin’ ny ran’ olona nalatsany.
Ezekiel 36:25Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
Matthew 16:22Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
Matthew 26:33Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
John 3:5Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy.
Acts 22:16Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin’ ny fahotanao.