Filazantsara araka an'i Jaona 14:16
Ary Izaho hangataka amin’ ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 14
Cross References
John 4:14fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
John 14:18Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
John 15:26Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
John 16:22Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
John 17:9Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’ izao tontolo izao Aho, fa ho an’ izay nomenao Ahy, satria Anao izy.
John 17:20Nefa tsy ho an’ ireto ihany no angatahako, fa ho an’ izay mino Ahy koa noho ny teniny;