Filazantsara araka an'i Jaona 14:17
dia ny Fanahin’ ny fahamarinana, Izay tsy azon’ izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 14
Cross References
Proverbs 14:10Ny fo no mahalala ny fangidian’ ny alahelony; Ary tsy raharahan’ ny olon-kafa ny hafaliany.
Isaiah 59:21Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ ny vavanao, na amin’ ny vavan’ ny taranakao, na amin’ ny vavan’ ny taranaky ny taranakao, hatramin’ izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
Matthew 10:20Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
John 14:23Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
John 16:13Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
Romans 8:13Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ ny tena dia ho velona ianareo.