Filazantsara araka an'i Jaona 15:22
Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin’ ny helony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 15
Cross References
Ezekiel 33:31Dia mankao aminao tahaka ny fihavin’ ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.
John 3:18Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ ny Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra izy.
John 12:48Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ ny andro farany,
Acts 17:30Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka,
Romans 2:1Koa amin’ izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
Hebrews 6:4Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masìna