Asan'ny Apostoly 3:14
Fa ianareo nandà Ilay Masìna sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But ye denied the Holy One and the Just, and desired a murderer to be granted unto you;
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 3
Cross References
Zechariah 9:9Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.
Mark 15:7Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin’ ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin’ ny fikomiana.
Luke 1:35Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masìna ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masìna Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’ Andriamanitra.
Luke 23:25Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.
Acts 4:27Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masìna, dia Jesosy Izay nohosoranao,
Acts 22:14Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;