Filazantsara araka an'i Jaona 17:1
Rehefa nolazain’ i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin’ ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ ny Zanaka Anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 17
Cross References
Psalms 123:1Fihirana fiakarana. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.
Mark 14:41Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak’ olona hatolotra ao an-tànan’ ny mpanota.
Luke 22:53Raha teo aminareo isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin’ ny maizina.
John 7:39Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ ny mino Azy, no nolazainy tamin’ izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ ny voninahiny.
John 11:4Ary rehefa ren’ i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra.
John 12:23Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’ olona.