Filazantsara araka an'i Marka 14:41
Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak’ olona hatolotra ao an-tànan’ ny mpanota.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
42Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 14
Cross References
1 Kings 18:27Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
2 Kings 3:13Ary hoy Elisa tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin’ ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.
Ezekiel 20:39Ary ny aminareo, ry taranak’ Isiraely, izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masìna intsony amin’ ny fanatitrareo sy amin’ ny sampinareo.
Matthew 26:45Dia nankeo amin’ ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’ olona hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota.
Mark 9:31Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak’ olona dia hatolotra eo an-tànan’ ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
Mark 14:10Ary Jodasy Iskariota, ilay isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, dia nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona hamadika an’ i Jesosy aminy.