Filazantsara araka an'i Jaona 17:23
Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 17
Cross References
John 3:17Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
John 13:35Izany no hahafantaran’ ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
John 14:23Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
John 17:21mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’ izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
John 17:26Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.
1 Corinthians 1:30Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’ i Kristy Jesosy, Izay nataon’ Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,