Filazantsara araka an'i Jaona 17:6
Nasehoko tamin’ ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’ izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 17
Cross References
Exodus 3:13Ary hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ ny Zanak’ Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
Exodus 34:5Ary Jehovah nidina tao anatin’ ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran’ i Jehovah.
Psalms 71:17Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
Proverbs 2:1Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
Proverbs 3:1Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
Matthew 11:25Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika.