Filazantsara araka an'i Jaona 18:37
Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’ izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ ny marina dia mihaino ny feoko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 18
Cross References
Isaiah 55:4Indro, nataoko vavolombelona ho an’ ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ ny firenena.
Matthew 27:11Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
Mark 15:2Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao.
Luke 23:3Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
John 7:17Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
John 8:47Izay avy amin’ Andriamanitra dia mihaino ny tenin’ Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin’ Andriamanitra ianareo.