Filazantsara araka an'i Jaona 20:22
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masìna;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And when he had said this, he breathed on them, and saith unto them, Receive ye the Holy Ghost:
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 20
Cross References
Genesis 2:7Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
Psalms 33:6Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
John 7:39Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ ny mino Azy, no nolazainy tamin’ izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ ny voninahiny.
John 15:26Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
Acts 2:4Ary samy feno ny Fanahy Masìna izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masìna azy.
Acts 4:8Ary Petera, feno ny Fanahy Masìna, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,