Filazantsara araka an'i Jaona 3:35
Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The Father loveth the Son, and hath given all things into his hand.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 3
Cross References
Genesis 41:44Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin’ ny tany Egypta rehetra.
Psalms 2:8Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao.
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Matthew 3:17Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
Matthew 17:5Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
Luke 10:22Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.