Filazantsara araka an'i Jaona 8:20
Izany teny izany no nolazain’ i Jesosy teo akaikin’ ny fandatsahan-drakitra, raha nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 8
Cross References
1 Chronicles 9:26Fa nanao tamin’ ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan’ ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian’ ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra koa izy ireo.
Mark 12:41Ary raha nipetraka tandrifin’ ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.
Luke 13:31Tamin’ izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
John 7:8Miakara ho amin’ ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
John 7:44Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
John 10:39Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.