Bokin'i Jona 3:7
Ary nasaina nantsoina sy nambara eran’ i Ninive araka ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman’ osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 20:3Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’ i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ ny tanin’ ny Joda rehetra.
Joel 1:18Indrisy, ny fitoreon’ ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian’ ny ondry aman’ osy aza dia mijaly noho ny heloka.
Jonah 3:5Dia nino an’ Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ ny lehibe ka hatramin’ ny kely.