Bokin'i Josoa 1:11
Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:
12Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia nilazan’ i Josoa hoe:
Cross References
Deuteronomy 3:18Ary nandidy anareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.
Deuteronomy 11:31Fa ianareo efa handeha hita an’ i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy ianareo ka honina eo;
2 Kings 20:5Miverena, ka lazao amin’ i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ianao.