Bokin'i Josoa 10:11
Ary nony nandositra teo anoloan’ ny Isiraely teo am-pidinan’ i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin’ ny havandra noho izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 19:24Ary Jehovah nandatsaka tamin’ i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’ i Jehovah tany an-danitra,
Exodus 9:25Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran’ ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.
Judges 5:20Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin’ ny nalehany niady tamin’ i Sisera.
Job 38:23Izay voatahiriko ho amin’ ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
Psalms 18:12Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.
Psalms 77:17Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.