Bokin'i Josoa 10:26
Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin’ ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin’ ny hazo izy mandra-paharivan’ ny andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 21:22Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin’ ny hazo.
Joshua 8:29Ary ny mpanjakan’ i Ay nahantony tamin’ ny hazo mandra-paharivan’ ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
1 Samuel 15:33Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan’ ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan’ ny reninao zanaka kosa ao amin’ ny vehivavy. Dia notetitetehin’ i Samoela teo anatrehan’ i Jehovah tao Gilgala Agaga.
2 Samuel 21:9dia natolony teo an-tànan’ ny Gibeonita ireo ka nahanton’ ireo teo amin’ ny havoana teo anatrehan’ i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin’ ny niandohan’ ny fararano tamin’ ny voalohan’ ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
Esther 7:9Ary Harbona, tsindranolahy anankiray, izay teo anatrehan’ ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin’ ny tranon’ i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon’ i Hamana hanantonany an’ i Mordekay, ilay niteny soa ho an’ ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin’ io izy.
Psalms 149:7Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,