Bokin'i Josoa 10:27
Ary tamin’ ny nilentehan’ ny masoandro dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin’ ny vavan’ ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 21:23dia tsy havela hiloaka alina eo amin’ ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr’ iny ihany izy (fa voaozon’ Andriamanitra ny mihantona amin’ ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.
Joshua 7:26Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin’ ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’ izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.
2 Samuel 18:17Dia nalain’ ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy.