Bokin'i Josoa 10:8
Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary tonga tampoka tamin’ ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.
Cross References
Deuteronomy 3:2Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
Joshua 1:5Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
Joshua 8:1Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’ i Ay mbamin’ ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
Judges 4:14Ary hoy Debora tamin’ i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’ i Jehovah an’ i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
1 Samuel 17:47Ary ho fantatr’ izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’ i Jehovah; fa an’ i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
Psalms 27:1Nataon’ i Davida. Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako?