Bokin'i Josoa 15:10
dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin’ ny tendrombohitra Seïra ka nandroso hatramin’ ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 15:57sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
Joshua 21:16ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin’ ireo firenena roa ireo;
Judges 14:5Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
1 Samuel 6:12Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin’ ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin’ ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, ary ireo andrianan’ ny Filistina nanaraka azy hatramin’ ny fari-tanin’ i Beti-semesy.
2 Chronicles 28:18Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin’ ny tany atsimo momba an’ i Joda, dia nahafaka an’ i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin’ ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.