Bokin'i Josoa 15:47
Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta sy ny amoron’ ny Ranomasina Lehibe.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
46hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an’ i Asdoda, sy ny zana-bohitr’ ireo,
48Ary tany amin’ ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
Cross References
Exodus 23:31Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
Deuteronomy 2:23ary ny amin’ ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan’ ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).
Joshua 13:3hatrany Sihora, izay atsinanan’ i Egypta, ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an’ ny Kananita, ireo andriana dimy amin’ ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
Judges 16:1Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy.
2 Kings 18:8Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin’ ny tilikambon’ ny mpiambina ka hatramin’ ny tanàna mimànda.
Jeremiah 47:1Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an’ i Gaza.