Bokin'i Josoa 16:1
Ary ny faritry ny tany azon’ ny taranak’ i Josefa tamin’ ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’ i Jeriko, dia tao amin’ ny ranon’ i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’ i Betela,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin’ ny fari-tanin’ ny Arkita hatrany Atarota,
Cross References
Genesis 35:24ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
Joshua 15:61Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midìna sy Sekaka
Joshua 18:12Ary ny fari-taniny amin’ ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin’ ny ilan’ i Jeriko amin’ ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin’ ny efitr’ i Betavena,
Judges 1:23Dia naniraka hisafo an’ i Betela ny taranak’ i Josefa (Lozy no anaran’ ny tanàna taloha);
Ezekiel 48:5Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Efraima.