Bokin'i Josoa 21:13
Dia nomeny ny taranak’ i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
14ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy,
Cross References
Numbers 35:6Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran’ izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
Joshua 15:42Libna sy Atera sy Asana
Joshua 20:7Dia nanokana an’ i Kadesy any Galilia any amin’ ny tany havoan’ i Naftaly izy sy Sekema any amin’ ny tany havoan’ i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin’ ny tany havoan’ i Joda.
Isaiah 37:8Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon’ ny mpanjakan’ i Asyria fahirano tamin’ izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.