Joshua 21:27
Ary izao no azon’ ny taranak’ i Gersona isan’ ny fokon’ ny Levita; avy tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’ izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna roa;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Ny tanàna rehetra azon’ ny fokon’ ny taranak’ i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.
Cross References
Deuteronomy 1:4rehefa namono an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
Joshua 20:8Ary dia nifidy an’ i Bezera any an-efitra amin’ ny tany lemaka izay an’ ny firenen’ i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an’ ny firenen’ i Gada, ary Golana any Basana, izay an’ ny firenen’ i Manase, any an-dafy atsinanan’ i Jordana, tandrifin’ i Jeriko.
1 Chronicles 6:47Ary ny an’ ny taranak’ i Gersona araka ny fokony dia tanàna telo ambin’ ny folo tamin’ ny firenen’ Isakara sy ny firenen’ i Asera sy ny firenen’ i Naftaly ary ny firenen’ i Manase any Basana.