Bokin'i Josoa 21:6
Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Gersona dia tanàna telo ambin’ ny folo, avy tamin’ ny fokon’ ny firenen’ Isakara sy ny firenen’ i Asera sy ny firenen’ i Naftaly ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase any Basana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 6:16Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan’ i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.
Numbers 3:21Avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon’ ny Gersonita.
Joshua 21:33Ny tanàna rehetra an’ ny Gersonita isam-potony dia telo ambin’ ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
1 Chronicles 6:62Ary ny an’ ny sisa, taranak’ i Merary, dia avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy;