Bokin'i Josoa 24:1
Ary Josoa nanangona ny firenen’ ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 33:18Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin’ ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin’ ny tanàna.
Exodus 18:25Dia nofidin’ i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
Joshua 20:7Dia nanokana an’ i Kadesy any Galilia any amin’ ny tany havoan’ i Naftaly izy sy Sekema any amin’ ny tany havoan’ i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin’ ny tany havoan’ i Joda.
Judges 9:1Ary Abimeleka, zanak’ i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin’ ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin’ izay rehetra isan’ ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
1 Samuel 10:19Nefa ianareo kosa efa nandà an’ Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin’ ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan’ i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
2 Kings 23:1Ary nanirahan’ ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon’ ny Joda Jerosalema rehetra.