Boky faharoan'i Samoela 10:19
Nefa ianareo kosa efa nandà an’ Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin’ ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan’ i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Dia nampanatona ny firenen’ Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen’ i Benjamina no voafidy.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 10
Cross References
Joshua 7:14Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan’ i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-batan’ olona.
1 Samuel 3:21Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin’ i Samoela tao Silo Jehovah tamin’ ny teniny.
1 Samuel 8:5ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.
1 Samuel 8:7Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ ny olona amin’ izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
1 Samuel 12:12Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan’ ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
Micah 5:2Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.