The Bible Software
bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 24 › Bokin'i Josoa 24:17

Bokin'i Josoa 24:17

Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tany amin’ ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ ny firenena rehetra izay notetezintsika.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For the LORD our God, he it is that brought us up and our fathers out of the land of Egypt, from the house of bondage, and which did those great signs in our sight, and preserved us in all the way wherein we went, and among all the people through whom we passed:

In Context

16Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an’ i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.

18Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin’ ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an’ i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.

Read all of Bokin'i Josoa 24

Cross References

Exodus 13:14Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;

Deuteronomy 7:19dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny firenena rehetra izay atahoranao.

Deuteronomy 32:9Fa anjaran’ i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.

Deuteronomy 32:12Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.

2 Chronicles 13:10Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, dia ny taranak’ i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;

Isaiah 63:7Ny famindram-pon’ i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an’ i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben’ ny fahasoavana tamin’ ny taranak’ Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben’ ny famindram-pony.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Josoa 24:17

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Josoa 24:16Bokin'i Josoa 24Bokin'i Josoa 24:18 →