Bokin'i Josoa 7:26
Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin’ ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’ izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 25:8dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin’ ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Deuteronomy 13:18Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin’ ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan’ i Jehovah amin’ ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin’ ny razanao,
Joshua 8:29Ary ny mpanjakan’ i Ay nahantony tamin’ ny hazo mandra-paharivan’ ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
2 Samuel 18:17Dia nalain’ ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
2 Chronicles 29:10Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.
Psalms 85:4Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin’ ny fahatezeranao mirehitra.