Bokin'i Josoa 9:11
Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin’ ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 1:11Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
Esther 8:17Ary teo amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan’ ny didin’ ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
Luke 9:3Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin’ ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.